Hiditra amin’ny dingana faharoa ny fampianarana. Tao anatin’ny 9 volana, nomena fahalalana momba ny solfezy sy ny tontolon’ny valiha sy ny fiarahamonina malagasy ny mpianatra eo anivon’ny Valiha Académie. Fantatra, omaly, fa manomboka ny sabotsy 18 jolay izao, hifantoka any amin’ny fampahafantarana sy fitendrena ny karazana velom-baliha misy izy ireo. Marihina fa ity foibe fikarohana sy fampianarana momba ny mozika ity irery ihany sisa no mampianatra ireo velom-baliha anisan’ny tranainy indrindra sy mifamatotra akaiky amin’ny lalao fanorona.
Hihazo an’i Toliara, anio, ny nofo mangatsiakan’i Johnny Bass. Nodimandry ny talata teo ity mpanakanto ity, ka nandrasana tao amin’ny ANS Ampefiloha, omaly. Tarika maro no efa niara-niasa taminy, indrindra ireo zanak’i Toliara, toa an-dry Mamy Gotso, Talike Gelé, Asco Music sy ny maro hafa.
Hitondra an-tsehatra ny « Ny fireneko » indray ny Tropy Antananarivo Teatra. Ny alahady 19 jolay ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro io, ao amin’ny Ivokolo Analakely. Teatra nosoratan’ny Dr Rasamoely Lala izy ity, izay holalaovina manokana ho fanamarihana ny faha-60 taonan’i Solohery Ramamonjy sy ny faha-35 taona niakaran’ny filohan’ny tropy am-perinasa an-tsehatra.




