Ho valalanamboa… : Mitady ho difotra ny kolontsain’Imerina

Iray amin’ireo kolontsaina maro fahavalo ny eto Imerina. Misy ny mikiky avy ao anaty, fa tsy vitsy ihany koa ireo mandona avy any ivelany… Raha tsy mitandrina, ho difotra tsy ho ela ny kolontsain’Imerina.

Ho an’ny mpandalina tantara sy fomba ary ny hay fivoaran’ny fiarahamonina, manana ny kolontsaina mampiavaka azy ny faritra tsirairay eto Madagasikara. Iray amin’ireny ny eto Imerina. Nambaran’ireto mpikaroka ireto fa: « manaraka lamina voa­janahary kokoa ny kolon­tsain’Imerina, hany ka tsy nahita na nisetra olana goavana izy tamin’ny fanarahana sy fiainana izany ».
Tao anatin’ny 50 taona, tsy mitsaha-mitotongana ny faha­lalan’Imerina iray manontolo ireo kolontsaina navelan’ny razany. Tahaka izany ihany koa ireo fomba amam-panaony. Manjary tsy mahasarotiny azy ny mahita ireo ota fady, fahaverezan-kasina, sns, mi­hatra eny amin’ny fiarahamonina. Manary sy mamono hasina an’Imerna, ohatra, ny toaka (anisan’ny heloka 12 mahafaty), ny kisoa… Anke­hitriny, tsy fety ny fety raha tsy misy famonoana kisoa. Ton­drahina toaka na santarina amin’ny toaka ny vava asa, sns.
Mila fanarenana goavana ny fanabeazana

Ara-tantara, nahazo tombony lehibe tamin’ny fampianarana ny teto Imerina. Saika teto ny ankamaroan’ny sekoly no naorin’ireo misionera vahiny. Lesoka goavana be teto Imerina kosa, anefa, ny fanabeazana. Tsy nomen’Imerina lanja ny fiarovana ny kolontsainy. Tahaka izany ihany koa ny fampahafantarana ny fombany. Tsy nahasarotiny azy loatra ny fanitsakitsahana ny soatoaviny, satria, tsy nobeazina hiaina izany izy. Tsy tazan’ireo taranaka aty aoriana intsony ry Dada sy ry Neny mitantara na mampita ireo fahalalana nananan’ny razana.
… Ankoatra ny fiarovana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina, manana zo sy adidy ary andraikitra miaina sy mivelatra amin’ny maha izy azy ny faritra tsirairay, satria, harena ny fahasamihafana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: