Miandry daholo

 

Mandroso miandalana aloha ny resaka, hatreto, mahakasika ny fifidianana sy ny fikaonandoham-pirenena. Efa mazava ny zotra ho an’ny mpitondra sy ny vazaha eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena. Vonona amin’ny ara-bola ireto farany, raha ilaina. Ny fanjakana malagasy rahateo efa milaza fa tsy handingana ny taona 2027 ny fitantanany. Milaza ny tsy hampisy ny tetezamiitatra ihany koa. Ny vahoaka rahateo sy ny mpitolona efa manomboka mimonomonona.
Ny fehinkevitra 47 be izao, entina amin’ny fikaonandoha nasionaly aza efa vita, hoy ny tomponandraikitra. Inona no andrasana fa tsy efa mankany mankany amin’ny fifidianana izany ny zava-drehetra. Samy mitondra izay azony entina eny an-tsisim-bala ve? Raha ny tetiandron’ny raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM manko dia mbola hitety tanàna hatrany ambanivolo. Inona izany ity efa nampahafantarina ny vahiny ity sa io no ho seraina?
Ny tanora izay nilaza fa fototry ny fanovana moa efa namoaka ny ahiahiny amin’ny mety ho fisian’ny hevidravina atentina, endrika ivelany fotsiny ny zava-drehetra. Tsy hisy ny fanavaozana ifotony araka ny nilokalokana. Tsy hita be ihany ny ilazana ny zava-misy, toa feno fitaka sy fandrebirebena, hoy izy ireo. Mampisaina sy mampametra-panontaniana ny fivoaran’ny toe-draharaha. Na ireo tanora teny Mahazoarivo aza tsy hay hoe iza marina?
Tsy hita ifanomezan-tsiny ny fizotr’ilay raharam-pirenena ankehitriny. Samy mitondra ny lohany sy ny fomba fijeriny ny tsirairay. Na mpitrondra na ireo noheverina ho very toerana, samy mangina avokoa. Ny fiovana nantenaina mihantona amin’ny hevitra fa tsy mivadika asa. Mbola ho ela izay nandrasana vao ho tonga. Mety ho any amin’ny Repoblika fahadimy mihitsy. Ny tena marina: miandry fa Malagasy daholo.

r.r

Partager sur: