Mitohy ny fanamarihana ny « Iray volan’ny hosodoko », any Mahajanga. Nisy ny atrikasa « Famoronana portfolio », notarihin’i Irina sy Istahn avy ao amin’ny Maison d’art Wtia Sary Boeny, ny alarobia teo. Hitohy amin’ny atrikasa « momba ny maha kanto » izany ny sabotsy izao, iarahana amin’i Ma-Fia, poeta mpanao slam. Mbola mitohy ihany koa ny fampirantiana eny amin’ny Bord, ataon’ny fikambanana Karakanto.
Miverina ny « Zom Finaritra », na ny « Slam Session » etsy amin’ny IKM Antsahavola. Hanomboka amin’ny 3 ora dia afaka mifandimby an-tsehatra ireo manana aingam-panahy tian-kozaraina. « Andrianampoinimerina » ny lohahevitra amin’ity, ka hanodidina izay ny aingam-panahy rehetra. Toy ny mahazatra, « slam iray, vera iray », ho marik’izay fifampizarana izay.
Luk, Inah ary Mbola Talenta, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Efa maro mpankafy ry Les Talenta. Mbola hampian’i Luk amin’ity indray mitoraka ity. Ito farany izay tsy zoviana amin’ny feo mangany sy ny fifehezany hira malagasy maro. Hanampy azy ireo an-tsehatra ry Jack Thierry (gitara beso), José (vata maroafitsoka) ary i Mamitiana (amponga Maroanaka).
I Gasta no tarika farany nampahafantarina, handray anjara amin’ny Génération 2000. Tarika nanana hira maro nalaza tamin’izany fotoana, kanefa, tsy niverina an-tsehatra nandritra ny fotoana ela. Feno izay ireo tarika hamerina ny tany amin’ny 20 taona lasa, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 19 jolay izao. Tsy misy hira taty aoriana mihitsy halahatra amin’io.




