FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny nihaonan’ny iraky ny ONU sy ny UA, teny Andraharo, ny FFKM. Notanterahina ny alakamisy teo izany. Nivoitra teo amin’ny fihaonana ny momba ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena sy ny faneken’izy ireo hanaovana ny dingana rehetra amin’izao fanavaozana izao.
Zava-poana ny ezaka rehetra ataon’ny fitondram-panjakana raha tsy manomboka amintsika, araka ny lahatenin’ny minisitra misahana ny Fana­vaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, tany Tanambe, Alaotra, afakomaly. « Miankina amintsika ny fanavaozana. Anisan’ny fototr’izany ny fifampitokisana sy ny fanarenana ny fihavanana », hoy izy.
Efa eo am-pelantanan’ny manampahefana ny raharaha momba ilay fanotofana tany tsy ara-dalàna teny By Pass tratran’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny 1 jolay teo, araka ny nambaran’ny minisitra Lilyson René de Rolland. « Tsy maintsy hivoaka ny marina. Efa voaray koa ireo dosie momba ny tompon’ny tany sy ireo fiarabe efa nogiazana », hoy izy.
Mitohy ny asa sosialy ataon’ny depiote voafidy tao Atsimondrano, Raharimanarivo Voahangy, ao amin’ny distrika Atsimondrano, tamin’ity herinandro ity. Anisan’ny nisitraka izany ny tao amin’ny kaominina Akaraobato, tamin’ny alalan’ny fanaovana didim-poitra faobe, ny alakamisy lasa teo.

Partager sur: