Niampy iray indray ireo antoko politika aman-jatony. Nampahafantarina omaly, tetsy Antaninarenina, ny fijoroan’ny antoko Liana fahasoavana ny Nosiko (LFN). « Mirona amin’ny fijerena sy fiahiana ny maha olona sy ny sosialy ny fotokevitra ijoroanay. Sosialy demokraty izany », hoy ny filoha nasionaly, Andriamiharijao Solofoharijao José. Nanteriny fa tena potika ny firenena tao anatin’izay 60 taona mahery izay ka anisan’ny vahaolana entin’izy ireo amin’izany ny fijerena ny maha olona. Miainga any ifotony, eny anivon’ny fokonolona izany, araka ny nambarany. Anisan’ny efa fandaharanasan’izy ireo ny hanabeazana ny olom-pirenena, ny amin’ny hisitrahany ny zony ka hametrahana foibe fanofanana ny rehetra, ankoatra ny fanabeazana sy ny fampianarana ny ankizy. « Efa tsy voahaja intsony ny maha olona. Manjaka ny kolikoly sy ny fahantrana ary ny fahalovana. Eo koa ny tsy fitoviana ka mijoro ho vahaolana amin’izany izahay », hoy ihany izy. Nambarany fa efa an-dalam-pametrahana ny rantsany any amin’ny faritra ny LFN amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny any Anosibe Anala, Atsimo Atsinanana hatrany Taolagnaro. Nohitsiny fa efa maika amin’ny fifidianana filoham-pirenena izy ireo ary vonona tanteraka hiatrika izany. « Mahazo hatrany amin’ny 40 % izahay na hotanterahana rahampitso aza ny fifidianana », hoy ihany izy.
Nilaza ny mbola hihaona amin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël izy ireo. Tsy mpanohitra rahateo ny LFN na misy ihany aza ny hevitra sasany tsy itoviana.
Synèse R.




