Nandray ireo iraka avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Firenena mikambana (ONU) ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly, teny Mahazoarivo. Nivoitra tamin’izany ny fikaroham-bahaolana sy ny fikaonandoham-pirenena.
Nambaran’ireo delegasionina fa mahavelom-panantenana ny lalantsaina hitondrana ny fanovana eto Madagasikara. «Mangataka izahay ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ireo dingana rehetra hotanterahina, indrindra mandritra ny fikaonandoham-pirenena. Tsindrianay manokana ny tokony hanomezana toerana sy sehatra lehibe ny tanora», hoy izy ireo tamin’izao fihaonana izao. Nanterin’ireto iraka ireto fa eo anilan’i Madagasikara hatrany ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Etsy andaniny, nanitsy ny fomba fijery mahazatra ny Praiminisitra ka nanambara fa tsy krizy miverimberina no misy eto Madagasikara. «Krizy maharitra, tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao no niainan’ny Malagasy teto. Tsy maintsy faranana amin’izao fanavaozana izao izany mba hahafahan’ny rehetra miaina amim-pahamendrehana sy manonofy hoavy tsaratsara kokoa», hoy izy.
Hanao tantsoroka ny FFKM ny fanjakana
Notsiahiviny fa efa mifampiresaka amin’ireo sokajin-kery marolafy ny fitondrana. «Ahitana solontena avy amin’ireo sehatra samihafa ny komity atsangan’ny fanjakana, hanao tantsoroka ny FFKM amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena», hoy izy. Anisan’izany ny finoana, ny kolontsaina, ny fiarahamonim-pirenena, ny tanora, ny sehatry ny fandraharahana ary koa ireo sokajin’olona marefo sy ireo olona manana fahasembanana.
Namarana ny fihaonana ny nilazan’ireto iraky ny UA sy ny ONU ireto fa manana iraka mazava ny hanohana sy hanampy an’i Madagasikara izy ireo mba hahafahana manatanteraka araka ny tokony ho izy ny fanovana, atao eto amin’ny firenena.
Synèse R.




