Efa namoaka ny vinavinan’ny tetiandro hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny FFKM. Hiroso miandalana izany ka hahatongavana hatrany amin’ny fifidianana.
Nambaran’ny loharanom-baovao fa hanomboka eny ifotony ny fakan-kevitra. «Hosantarina ny fiandohan’ny volana aogositra izao izany ka hatomboka any anivon’ny fokontany. Hitohy amin’ny fakan-kevitra eo anivon’ny kaominina sy ny faritra izany ary hifarana amin’ ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena», hoy ny loharanom-baovao. Nanteriny fa haharitra eo amin’ny enim-bolana eo ho eo izany. Hivoaka ny fehinkevitra tapaky ny mpizaika rehetra aorian’izany, rehefa nandalo fandravonana. Hiroso amin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo fehinkevitra ny eo anivon’ny FFKM. « Hatao ho vaindohan-draharaha ny fanarahana ireo dingana samihafa amin’izany ny fiangonana mandra-pahatongantsika any amin’ny fifidianana », hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Efa tafidtra ao anatin’izany koa anefa ny fampihaonana ireo antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena. Hifanakalo hevitra mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana izy ireo. Kendren’ny fitondram-pajakana ny tokony hanatanterahana izany mialoha ny faran’ny taona 2027.
Ekipa teknikan’ny governemanta
Etsy andaniny, hanendry mpandrindra nasionaly hisahana ny fandaminana ireo asa samihafa ny FFKM amin’io fikaonandoham-pirenena io. Hiaraka hiasa akaiky amin’ireo filoham-piangonana izany mpandrindra izany ahafahana mandrindra ny fizotry ireo dingana samihafa. Hanomboka amin’ity herinandro ity koa ny fanofanana ireo rantsan’ny fiangonana hiandraikitra ny fitarihana ny adihevitra sy ny fakan-kevitra, manomboka hatreny ifotony. Manampy izany ny fiaraha-miasa amin’ilay komity teknika iarahana amin’ny ekipan’ny governemanta.
Synèse R.




