FANTINA sy FINTINA

Nolanian’ny filankevitry ny minisitra ny zoma teo ny fanaovana fitafy maha Malagasy isaky ny zoma. Ao anatin’izany ireo fitafy mampisongadina ny maha izy azy ara-kolontsaina na mampiavaka ireo faritra samihafa eto amin’ny firenena, na nentin-drazana izany na nohavaozina izany, araka ny tatitra. Anaty fanajana ny hasin’ny asam-panjakana izany.
Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny Unesco, Razanamahasoa Christine. Hisa­hana izany asa izany any Paris, Frantsa araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny zoma teo. Tsiahivina fa efa minisitry ny Raharaham-bahiny, tamin’izao fitondrana Fanavaozana izao ny tenany. Vehivavy voalohany, efa filohan’ny Antenimierampirenena koa.
Laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny fiainan’ny tanora, araka ny nambaran’ny Praimi­nisitra, Rajaonarison Mamitiana, ny herinandro teo. Nandray ny sekretera jeneralin’ny Confejes eo anivon’ny Frankonfonia, Thobi Louisette – Renée teny Maha­zoarivo ny tenany tamin’izany. Voaresaka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa momba ny tanora.
Tokony nisy fifampiresahana politika namondronana ireo hery rehetra nandrafetana tondrozotra raha vao nijoro ny fitondrana Fanavaozana, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote, Rajerison Antoine. « Sivy volana nijoroana ny fitondrana fa mbola tsy misy dingana vita momba ny fikandoham-pirenena noho ny tsy fisian’ny drafitra mazava », hoy izy.

Partager sur: