Notanterahana ny herinandro teo, tao Mahajanga, ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ho an’ny any Boeny. Niray hevitra ireo mpizaika ary nohamafisin’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, fa hitondra soso-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. «Antoka iray hizorana any amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fametrahana ny faritra mizaka tena sy ny fanajana ny lalàna. Izany no hany vahaolana maharitra hampandrosoana ny eny ifotony sy hanatsarana ny fiainan’ny olom-pirenena», hoy ny eo anivon’ny MMM. Na izany aza, nanterin’ny filoha nasionaly fa ilaina ny fanajana ny lalàna ary porofoina amin’ny alalan’ny fihetsika izany.
Nanterin’ny fehinkevitra tamin’izao fikaonandoham-paritra izao fa mba hahafahana mamaha haingana ireo olana eny ifotony no itakian’ny antoko MMM ny fametrahana ny fizakan-tenan’ireo faritra miisa 24, amin’izao fotoana izao.
Nafana ny adihevitra, nahafahana nihaino sy nifampizara ny olana. Anisan’izany ny hetahetan’ny mpanarato madinika, ny solontenan’ny vehivavy mpiasa tena ary indrindra fa ireo tanora mpianatra. Nampanantena ny mpitarika fa hampitaina amin’ny tomponandraikitra ny famahana ireo olana sy ny hetahetan’ireo sehatra samihafa tamin’izao fihaonana izao.
Niatrika izany ireo solontena avy amin’ireo distrika enina: Mahajanga I sy II, ny avy any Ambato-Boeny, Marovoay, Mitsinjo ary Soalala.
Tsiahivina fa efa tafiditra amin’ny fakan-kevitra ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena izao tanterahan’ny antoko Malagasy miara-miainga izao.
Synèse R.




