Fanatsarana fomba fitantanana : Mitaky ny hamaliana ny filan’ny vahoaka ny filoha

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny Iavoloha, omaly, ny tetikasa fanohanana ara-teknika ny Andrimpanjakana « Facilité d’assistance technique – Fat ». Nisy hafatra nampitain’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’izany.

Nambarany fa tsy misy fampandrosoana mah­a­ritra raha tsy eo ny Andrimpanjakana matanjaka. « Tsy misy koa anefa fitoki­san’ny olom-pirenena raha tsy manana fitantanan-draharaha afaka mamaly haingana sy ara-drariny ary mivaingana ny filan’ny vahoaka », hoy izy. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fitantanan-draha­raham-panjakana izany, araka ny nambarany.
Niara-dalana tamin’izao hetsika izao ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpiandraiki-draharaha miisa 170 nahavita fiofanana momba ny « Common Assessement Framewrok – Caf ». Natao izany mba hahafahan’ny An­drimpanjakana mandinika ny fomba fiasany amin’ny fomba voarindra sy hamaritana ireo laharam-pahamehana hanomanana drafitra fanatsarana azo tanterahina sy azo tsapain-tanana. Nanterin’ny Fi­loha tamin’ireo nahavita fiofanana fa anisan’ny miandry azy ireo ny fanombanana ny asam-panjakana, ny famantarana ireo olana sy ny fanomanana drafitra fanatsarana. «Antsoina ianareo ho lasa loharanon’ny fiovana eo anivon’ny Andriampanjakana misy anareo ary ho mpitondra ny fanatsarana mitohy », hoy izy.

Fanamafisana ny fahaiza-manao

Tsiahivina fa fiaraha-miasan’ny fiadidiana ny Fanavao­zana ny Repoblika sy ny Pnud ity tetikasa ity. Natao hanohanana ho amin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana sy hanamafisana ny fahaiza-manao ary hanatanterahana ireo fanavaozana ilaina, ahafa­hana mamaly ny filan’ny va­hoaka izany.
Nivoitra tamin’izany fa dingana ireo amin’ny fametra­hana ny mangarahara mifantoka amin’ny vokatra sy ny kalitaon’ny asa fanompoana vahoaka.
Niatrika izao lanonana izao ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta, notarihin’ny Praiminisitra sy ny avy amin’ny Pnud, nahitana an’i Anthony Ngororano sy ny Dr Edward Christow.

Synèse R.

Partager sur: