James Ramarosaona : « Mila fanavaozana ny asa an-gazety »

Anisan’ireo nandaha-teny tamin’ny fanamarihana ny faha-160 taonan’ny Gazety Malagasy, ny filoha teo aloha nitantana ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), James Ramarosaona. Nambarany tetsy Mahamasina, tamin’ny zoma lasa teo, fa tsy maintsy mianatra mandra-pahafaty ny mpanao gazety, mba tsy ho voatsindry. Nanteriny fa ma­sina ny asan-gazety. Olona voafidy sy notsongaina noho ny fahaizany sy fianarany no hany azo antoka hahatontosa sy hampivoatra ny fanokanan-tena ho mpanao gazety. Tsy izao bodo sy adalan’ny tambajotra sosialy rehetra izao, araka ny nambarany hatrany.
Noresahiny koa ny tonto­lon’ny fanavaozana ankehi­triny, indrindra mialoha ny fikaonandoham-pirenena.
« Aoka isika hampaneno mafy, am-panajana ny feo sy lakolosy, fa mila fanavaozana hatrany koa ny asan-gazety » hoy izy. Niantso ny hivondronan’ny rehetra ho amin’ny fanovana ny lalàna 2020-06 momba ny serasera amin’ny haino vaky jery ny tenany. Ha­nampy koa ny fiarahamonim-pirenena, amin’ny fanaovana adisisika mba hamoahana amin’izay ny lalàna momba ny fahazoam-baovao « Loi sur l’accès à l’information à caractère public – LAICP », efa nalefa eny amin’ny Antenimie­rampirenena.
« Takina ny fanovana ireo lalàna ireo, ahafahana tena mandroso any amin’ny lalan’ ny demokrasia. Mbola manify ny kofehy mamatotra ny ga­zety amin’ny fahafahana sy ny demokrasia », hoy ihany izy.
Nohitsiny nanoloana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, tamin’izany, fa tsy misy demokrasia na fandrosoana tena izy raha tsy afaka sy malalaka ny mpanao gazety. « Fahefana fahefatra izy ireo. Mpamelona ny demokrasia, mpamolavola hevitra sy mpitsoka anjomara fanai­rana, ka tokony homena fahafahana malalaka », hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: