Olan’ny Jirama : Hatomboka any Antsira­nana ny fanadihadiana

Ho famahana ny olana sedrain’ny orinasa Ji­rama, nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Niompa­nan’­ izany ny mahakasika ny fanadihadiana ataon’ny depiote. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randriana­soloniaiko Siteny sy ny filohan’ny Vaomiera mpanadihady mahakasika ny orinasa Jirama, Rakotoniaina Pety. Nanotrona azy ireo mpikambana ao amin’ny Vao­miera. Nohamafisin’ny mpandaha-teny ny fisian’ny tatitra sy fampahafantarana homena ny vahoaka malagasy momba ny fandrosoan’ny fanadihadiana.

Efa nisy ny dingana natao. Hita tamin’izany ny fifanaraha-piaraha-miasa eo amin’ny Jirama sy ny mpandraharaha tsy miankina izay tsy ara-drariny. Nandritra ny valo taona ny tsy fahatomombanana, araka ny voalaza. Anisan’ny nanimba ny orinasa Jirama sy tsy mifanaraka amin’ny tombontsoam-bahoaka izany.
Hisy ny fidinana ifotony hanaovan’ny vaomiera fanadihadiana eny amin’ny toerana famokarana sy famatsiana herinaratra manerana ny Nosy. Hatomboka any Antsira­nana, hiitatra amin’ny toerana 47 voafaritra hanaovana fanadihadiana izany. Nampitan­drina amin’ny fampihorohoroana mety hiseho mandritra ny fanaovana ny fanadihadiana ny filohan’ny Antenimi­eram­pirenena sy ny filohan’ny Vaomiera mpanadihady ma­hakasika ny orinasa Jirama.

Andry F.

Partager sur: