Ho fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, notarihin’ny minisitra Rajaonarison Sendra Nirina sy ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), Razakamanantsoa Gaby Nestor, omaly, teny Anosy.
Tanjona ny hanamafisana ny ezaka iombonana amin’ny fampiroboroboana ny mangarahara, ny fahitsiana ary ny fanatsarana ny fitantanana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Mikendry ny hanamafy ny fanabeazana ny olom-pirenena, ka hampiely ny kolontsain’ny fahitsiana, hananganana tontolom-panabeazana madio ny fiaraha-miasa. Hanentana ny rehetra handray anjara amin’ny fisorohana ny ady amin’ny kolikoly ihany koa.
Mahakasika ny ambaratongam-pitantanana rehetra eo anivon’ny minisitera, manomboka ao amin’ny foibe mankany amin’ny Dren, ny Cisco, ny Zap hatrany amin’ireo sekoly ambaratonga rehetra manerana ny Nosy, ny fifanarahana.
Voakasika amin’izao ady izao avokoa ny fitantanana ny mpanabe sy ny mpandraharaha, ny tsenambarom-panjakana, ny fizarana ny fanampiana sy ny tetibola amin’ny endriny maro samihafa, ny fanadinana sy ny fankatoavana diplaoma.
Vonjy




