Akany Ambohimanantenasoa: nanohana ireo ankizy marefo ny Fanjiry

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Vohipeno, afakomaly, ny fanombohana ny asa sosialy ataon’ny fikambanana Fanjiry. Tao amin’ny Kianjan’i Tsiafaranolo, kaominina ambanivohitr’Andemaka, 25 km miala ny tanànan’i Vo­hipeno, no nosafidin’ity fikambanana tarihin’ny filoha mpanorina, Randrianirina Eli­sa, ity hanaovana ny hetsika fano­kafana ny asa ho an’ireo va­hoaka sahirana. Hita ao ana­tin’io fikambanana misehatra amin’ny asa sosialy io avokoa ireo vadin’ny mpanolotsaina avon’ny Fanavao­zana, ny Jly Zafitasondry Marcellin, ny Kly Rampa­narivo, ny Kly Gervais. Eo koa ny vadin’ny Praimi­nisitra lehiben’ny Governe­manta ary ireo minisitra vehivavy rehetra. Nambaran-dRa­matoa Rampa­narivo Geor­gette, fa ny fikambanana Fan­jiry dia miezaka manakaiky ny vahoaka sady miahy sy mi­tsinjo ireo any ambanivolo ary mijery manokana ireo ankizy marefo.
Nomarihin’ny vadin’ny mpa­nolotsaina avon’ny Fana­vaozana hatrany fa misy an­kizy 128 isa, manodidina ny
3 ka hatramin’ny 14 taona, no karakarain’ny masera ao amin’­ny Akany Ambohima­nan­­tenasoa. Anisan’ireo se­hatra hiasan’ny fikambanana rahateo ity ivontoeram-panabeazan-dry masera ity.
Marihina fa mifantoka amin’­ny sehatra telo lehibe ny asa sosialy ataon’ny Fanjiry: ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fivelomana (fambo­lena sy fiompiana) izay ahi­tana ny fandraharahana, ho fampananana asa.

Tatiana A

Partager sur: