Fiahiana ara-tsakafo: hanome vary 7,9 miliara Ar i Japon

Mifanohana ny firenena japoney sy i Madagasikara ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiahiana ara-tsakafo.

Nanao sonia fifanarahana mifandraika amin’ny Fandaharanasa tohana ara-tsakafo ho an’ny taona 2026 ny masoivohon’i Japon eto amintsika, Tojima, sy ny mi­nisitry ny Raharaham-bahiny, Alice N’diaye, ary ny minisitry ny Fambolena sy ny faha­vitantena ara-tsakafo, Gaëtan Ramindo, omaly. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’i Japon amin’ny lafiny maro.
Tafiditra amin’ny fandaharanasa ny fanomezana fa­nampiana, vary mitentina 7,9 milara Ar, hanohanana maharitra ny fiahiana ara-tsakafo eto Madagasikara. Hamidy eny amin’ny tsena mahazatra ny mpanjifa ny vary, saingy amin’ny vidiny mirary. Ny vola vidim-bary azo dia hametra­hana tahiry manokana hama­tsiana tetikasa fampandro­soana ny toekarena sy ny sosialy ho tombontson’ny vahoaka malagasy. Efa nahazoana vokatra tsara ity hetsika ity ny taona 2023, nahafahana nividy vary milanja 2 411t ary andrasana ny tohana ho an’ny fandaharanasa 2024 hama­liana ny filana mandritra ny fotoan’ny maitsoahitra.
Fanambarana nataon’i Japon tany Tokyo, nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana aty Afrika (Ticad 9), ny volana aogositra 2025, ho fanam­piana ny fambolena aty Afrika izany. Efa nisy ny fanomezana zezika milanja 1 450t ny volana jona lasa teo. Mbola ho avy koa ny fitaovam-pambo­lena sy tetikasam-piaraha-miasa miaraka amin’ny Jica. Tanjona ny hanapariahana ny fomba fambolena mahomby, mampitombo ny vokatra sy ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tantsaha.
Nanohana an’i Madaga­sikara am-polo taonany maro i Japon momba ny fiahiana ara-tsakafo ary mbola hitohy ha­trany mandritra ny taona maro izany.

Vonjy

Partager sur: