Dr Hortensia, namoahana ombay mitady: Hita faty tany anaty haram-bato tao Ranomafana

Iray andro taorian’ny tsy fahitana ny Dr Hortensia, tovovavy 27 taona, sy nanaovana ombay mitady azy tamin’ny tambajotran-tserasera, hita faty tao amin’ny Chute Andriama­mo­voka, ao amin’ny faritra Ra­nomafana, ny vatana mangatsiakany, omaly maraina. Latsa­ka tany anaty haram-bato lalina, ao Ranomafana, ny tenany ka nampanano sarotra ny fakan’ny vondrona mpamonjy voina ny razana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny vao nandre ny vaovao. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny fahafatesany fa efa misokatra ny fanadihadiana. Namba­ran’ ny fianakaviana akaiky azy fa nandalo fotoan-tsarotra ara-tsaina izy, tao anatin’ny olana manokana, talohan’izao fotoana izao. Nisy nahita tany Rano­mafana ny kitapony sy ny findainy. Avy niala sasatra tany amin’ny zokiny, tao Ihosy, izy ary nikasa hody any Fianaran­tsoa, raha ny fanazavana avy amin’ny fianakaviany hatrany. Mbola tratra antso tamin’ny findainy izy teny am-pandehanana hamonjy fo­diana any Fiana­rantsoa, saingy avy eo tsy tratra antso intsony, iray andro talohan’io tranga io. Tsy tafody tany an-tranony intsony ihany koa ary izao hita faty izao. Tovovavy tso-piaina ary misariaka amin’ny olona rehetra ny Dr Hortensia. Vao nahavita ny Fanohanana voka-pikarohana amin’ny maha do­kotera azy izy iray volana lasa. Efa niasa tao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Fianaran­tsoa ary nikasa ny hanohy ny andranasany aty an-dRenivo­hitra izao hita faty izao.
Manoloana ny zava-misy, noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly, ny fananganana ny Task force miady amin’ny halatra olona.

Mino

Partager sur: