Firenena mikambana-Vondrona afrikanina: Mitsangambolo amin’ny tsy fandriampahalemana

Vita ny iraka, namoaka fanambarana momba ny diany teto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena mikambana sy ny Vondrona afrikanina. Anisan’ny manahirana azy ireo ny tsy fandriampahalemana.

Nifarana ny dian’ny iraka avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), tarihin’i Mohamed Idriss Farah sy ny solontenan’ny Firenena mi­kam­bana (ONU), Parfait Onanga-Anyanga. Nanao tatitra iombonana mamintina ny fitsidihana sy fanelanelanana teto amintsika izy ireo. « Tena anisan’ny manahirana anay ny lafiny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra sy ny faritra sasany », hoy ny fanambarana nivoaka, afakomaly.
Mankahery ny mpitondra hanohy ny ezaka hametrahana filaminana sy fandriampahalemana ary koa ny hiarovana ny vahoaka sy ny fananany izy ireo. Nohamafisin’ny tatitra ny tokony hanajana ny tany tan-dalàna sy ny zon’olombelona ary ny tsy tokony hahatongavana amin’ny fitsaram-bahoaka.

Fiaraha-mitantana
Etsy andaniny, notakin’ny UA sy ny ONU ny hirosoana ato anatin’ny fotoana fohy ny fikaonandoham-pirenena. « Tsy tokony hisy ho voailika ao anatin’ny dinika mba hahatongavana any amin’ny fifidianana mangarahara sy azo antoka ary am-pilaminana », hoy izy ireo. Nentanin’ny delegasionina ny hery velona rehetra mba samy handray andraikitra. Anisan’izany ny mpisehatra politika. Tokony hiezaka hametraka ho zava-dehibe izao dingana hamerenana amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena izao izy ireny, araka ny nambaran’izy ireo. « Voarainay avokoa, tamin’ny fakan-kevitra, ny hetahetan’ireo mpisehatra rehetra », hoy ihany ny eo anivon’ny ONU sy ny UA. Notanisainy tamin’izany ny fihaonana tamin’ny Filoham-panjakana, ny FFKM, ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena ary ny mpisehatra ara-toekarena. Ani­san’ny nihaonan’ireo iraka koa ny fiarahamonim-pirenena sy ny tanora, ny vehivavy, sns.
Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy ireo mba hanohana sy handrindra izao dingana izao.

Synèse R.

Partager sur: