INDRAY MIJERY

Namoaka ny tatitra nasionaly momba ny fanadinam-panjakana BEPC ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Mahatratra 61,85% ny taham-pahafana nasionaly ka ny Cisco Miandrivazo no manana ny ambany indrindra, 22,30% raha ny Cisco Ampanihy no nahazo ny taha ambony indrindra, izay nahatratra 95,27%.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ao Mahajanga, ny fiandohan’ny herinandro teo, ny atrikasa fiofanana mitohy momba ny Biosécurité sy biosûreté. Natokana ho an’ireo teknisianina mpiasan’ny laboratoara avy amin’ny faritra Sofia, Boeny ary Betsiboka izany. Mikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ireo loza mety hateraky ny zavamiaina bitika, mifanaraka amin’ny fomba fiasa One Health, ny hetsika. Tanjon’ny fanofanana ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra eo anivon’ny laboratoara, hifehezana ny fahaiza-mitantana ny risika biolojika mifandraika amin’ny asan’izy ireo.

Nanolotra fitaovana fiarovana amin’ny hatsiaka miisa 50 ho an’ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody ny Rotary E-Club District 9220. Niaraka tamin’ny filohany, Mehlam Goulamhous­sen sy ny mpikambana ao aminy ny fanatontosana izany, ny faran’ny herinandro teo. Ho an’ireo zokiolona raisina an-tanana ao amin’ny fikambanana ny fitaovana, nahitana satroka ba, arotenda ary bodofotsy.

Partager sur: