Hatao ny 31 jolay 2026, eny amin’ny CCI Ivato, ny lanonana takariva an’ny tarika Njila. Fampisehoana miavaka tafiditra ao anatin’ny hetsika “Kanto Miampita”, tohanan’ny Airtel Money.
Fotoan-dehibe miavaka ny fihaonan’ny tarika Njila sy ny mpankafy azy amin’ity fotoana ity. Lanonana takariva, «grand cabaret», tena hisongadina raha ny eto Antananarivo no asian-teny. Hahatsiarovana ireo hiran’ny tarika tsy lefy laza, namantarana azy hatramin’izay. Toy ny «Lavitra», ny « Takon’ila », ny « Revy », sy ny hafa, izay nanamarika sy nampalaza azy ireo tamin’ny taona 80 sy 90. Tsy afaka eo am-bavan’ny taranaka maro mifandimby, eny na ireo ankizy taty aoriana aza, fa nolovaina tamin’ireo zoky sy raiamandreny teo aloha. Manamarika ny hakanto sy ny lanjan’ny tononkira malagasy, ny gadona, ny rindra, ny angolam-peo, entina nitantarana ny fiarahamonina tena Malagasy izany.
Tetezana avy any amin’ny kolontsaina nolovaina tany aloha, miampita mankany amin’ ny fandrosoana sy ny famoronana miavaka no voizin’ny “Kanto Miampita”. Hiaraka hiseho an-tsehatra indray i Richard, mpamorona ny tarika, hotronin’i Mahery, Elsie ary Johane. Samy hampiseho ny talentany avy izy ireo, nefa koa haneho amin’ny mpankafy fa tsy niova ny fiarahana. Hanehoana ny kanto tsara indrindra, hifandraisana mivantana amin’ny mpijery ny dingana sy fotoana samihafa nodiavina sy notetezina ny seho. Hisy koa ny fandikana na fihirana ny an’ny mpanakanto hafa.
Fampiroboroboana ny kolontsaina
Hasehon’ny Airtel Money amin’ity indray mitoraka ity fa tsy miova ny fanohanany ny kanto malagasy. Manohana ireo manan-talenta, hampihaonana ny mpanakanto sy ny mpankafy ity orinasa ity. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina indostrialy sy ny famoronana eto Madagasikara izany. Hisitraka ny tolotry ny Airtel Money, mandritra ity fotoana eny amin’ny CCI Ivato ity, ireo hanatrika ny seho. Nilaza ny tomponandraikitry ny serasera, Ramanankavana Julicia, fa “tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fifandraisan-davitra anatin’ny firenena iray ny famelomana ny kolontsainy sy ny fanomezan-danja ny vakoka ara-kanto. Sehatra iray hanehoana izany ny Kanto Miampita ».
Njaka A.




