« Live Stage II » : Hiray sehatra i Denise sy i Jaojoby

« Tsara tsara ». Hira iray iarahan’i Jaojoby sy i Denise, izay nanampy ny laza efa nananan’izy ireo io. Hira nanamarika ny roa tonta, satria voninahitra ifampizarana eo amin’ny raiamandreny sy ny zanaka samy mpanao mozika. Fanom­bohana iny fampiaraham-peo iny, fa mitohy hatrany kosa ny fiaraha-miasa eo amin’i Jaojoby sy i Denise. Manaraka eo ny « Live Stage II », hatao ny 31 jolay, manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny La Balançoire Ivandry. Hisy ny fampiaraham-peo sy talenta eo amin’izy ireo. Samy hizara ny kantony koa ny tarika isanisany.
Natao ho an’ireo mpankafy efa hatry ny ela sy hanakaiky kokoa ny mpanakanto no tanjon’ny Lagence sy ny NyR Ymage, izay mpiara-mikarakara ny hetsika. Ankavitsiana ny fotoana toy izany, indrindra ny hahafahana miaraka amin’ny mpanakanto malaza toa ny mpanjakan’ny salegy sy ny andriambavilanitry ny “soul”. Hatao amina toerana miavaka mba hitoetra ho tadidy mahafinaritra ho an’reo afaka hanatrika izany. Tsiahivina, efa andiany faharoa ny « Live Stage II », hotohizana hatrany izany.

Zo ny Aina

Partager sur: