Ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fitahirizana vaksiny araka ny fenitra iraisam-pirenena, natolotra ny fitaovana “Indigo”®. Fitaovana maoderina natokana hitaterana sy hitahirizana vaksiny, novolavolain’ny EMK Tec miaraka amin’ny fiaraha-miasan’ny Gavi sy ireo mpiara-miombon’antoka izany. Ny Global South Health no mizara azy ary ny DCO, solontena eto Madagasikara, no miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Vata fampangatsiahana azo haverina fahanana (rechargeable) sy mora entina no natolotra. Manana faharetana mitazona hatsiaka hatramin’ny dimy andro. Tsy mampiasa “gaz” na “glace” izy, tsy mila fikojakojana ary mahatratra haingana ny maripana takina hitahirizana vaksiny. Mahatohitra rano sy misy rafitra fanaraha-maso mitohy ny maripana, mifanaraka amin’ny fenitra “OMS/PQS” momba ny kalitao sy ny fiarovana.
Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta malagasy sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy no nahazoana izany, ho fanamafisana ny rojom-pitahirizana ireo vaksiny sy hanatsarana ny fahafahan’ny mpiasan’ny fahasalamana manatitra vaksiny any amin’ny faritra lavitra sy saro-dalana.
Vonjy




