hatao Andro fisaonam-pirenena ny rahampitso manerana an’i Madagasikara, didim-panjakana navoakan’ny fiadidian’ny fanavaozana ny repoblika, halina. Natokana ho andro tsy fiasana fa handraisan-karama izany. Voarara ny fety aman-danonana ary haidina amin’ny an-tsasaky ny tsoran-kazo ny sainam-pirenena.
Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry, afakomaly hariva, i Alphe Léon. Notsaboina tamin’ny hopitaly iray teto an-dRenivohitra ny tenany izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mpanao gazety efa an-taonany maro tao amin’ny fahitalavitra Record izy fony fahavelony. Nanoro lalana ireo zandry taty aoriana koa teo amin’ny asa an-gazety.
Anisan’ny hitondra ny heviny momba ny demokrasia sy ny fiandrianam-pirenena, fototry ny firenena matanjaka, ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo. Hatao eny amin’ny Akademia Tsimbazaza, rahampitso, mifandraika amin’ny Andro atokana handinihina momba ny demokrasia, ny fiandrianam-pirenena, ny fampandrosoana ary ny fifidianana izany.
Mpiandraiki-draharaha mpisolo toerana eo anivon’ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara sy Kaomoro, manomboka izao, i Melanie Higgins. Hiasa eto an-toerana izy ato anatin’ny herinandro vitsivitsy ho avy. Manantena fiaraha-miasa sy hanamafy kokoa ny fifandraisana efa misy amin’ny firenena roa tonta ny tenany.




