Notanterahina omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena efitrano Dox, ilay hetsika « Tafasirim-pifaliana ». Fotoana namaranan’ Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala ny 20 taona nitantanany ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Nampahafantarana ny fivoahan’ny boky « Vadi-bainga » nosoratan-dRanjatohery Harilala, mirakitra ny 20 taona nitantanan’ Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala ny Fi.Mpi. Ma, ihany koa . Misongadina ao anatiny ireo fivelarana nentin’ity filoha vehivavy voalohany ity. Anisan’izany ny fampandraisana andraikitra mivantana ireo mpikambana. Ny namoronana ny « Herinandron’ny kabary », «Sahobin’ny mpikabary », « Tsenaben’ny kabary », « Kabary tour », sns. Ankoatra ny boky « Vadi-bainga », hivoaka amin’ny alalan’ny sarimihetsika ihany koa ny 20 taona nitantanany ny Fi.Mpi.Ma.
« Tafasirim-pifaliana » nampahafantarana ihany koa fa Ranoromampionona Voary no mpilatsaka hofidina tokana hitondra ity fikambanana ity mandritra ny efa-taona manaraka. Fifidianana hotanterahina mandritra ny zaikabe hatao any Mahajanga, ny 27 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra izao.
… Fantatra fa ny Faritra 23 eto Madagasikara, ahitana Fi.Mpi.Ma avokoa. Ho an’ny maneran-tany indray, mahatratra 30 ny firenena misy ity fikambanana miaro sy mikolo ary mampivelatra ny kabary malagasy ity.
HaRy Razafindrakoto




