Seranam-piaramanidina Ivato : Nanao fanazarantena momba ny fitantanana ny areti-mifindra:

Manoloana ny fihanaky ny areti-mifindra maneran-tany manao fanazaran-tena ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, Ivato. Nisantarana izany ny fitantanana tranga ahina ho aretina Ebola.

Nandray anjara tamin’­ izany ireo mpiantsehatra rehetra eny anivon’ ny varavarana fidirana iraisam-pirenena, izay maharitra hateloana. Nandritra ny andro voalohany, nisy ny fanomanana niarahan’ireo mpiantsehatra sy ireo sampandraharaha rehetra voakasika. Handrin­drana ny fomba fiasa, ny fandaharam-potoana rehetra mifanaraka amin’ny hetsika izay hatao ary hanazavana ny andraikitry ny tsirairay mandritra ny fanazarantena. Nam­paha­fantarina koa ny aretina Ebola amin’ny ankapobeny sy ny antony hanaovana izao fanazarantena izao, izay takin’ny fenitra iraisam-pirenena (Règlement sanitaire international – RSI).

Ankoatra izay, mitohy ny ezaka fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny sisintany fidirana Ivato, ataon’ny minisitera, ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka sy ireo mpandeha miditra sy mivoaka eto Madagasikara. Ny seranam-piaramanidina Ivato no varavarana voalohany idirana eto Madagasikara. Mitana andraikitra lehibe, noho izany, ireo mpiasa amin’ny fisorohana sy fanaraha-maso ny fiparitahan’ny areti-mifindra, anisan’izany ny Mpox sy ireo aretina hafa mety hampidi-doza amin’ny fahasalamam-bahoaka.
Ho fanamafisana, notanterahina ny fanofanana momba ny vonjy aina sy ny fandraisana an-tanana maika, izay fiaraha-miasa amin’ny IOM Ma­dagascar & Comoros. Miken­dry ny hanatsara ny fahaizan’ireo mpiasan’ny fahasalamana izany. Niompana tamin’ny famantarana mialoha ireo tranga maika sy mampiahiahy, ny fandraisana andraikitra haingana, mahomby ary azo antoka ny fanofanana. Na­nampy ireo ny fitantanana ireo toe-javatra vonjy taitra eny amin’ny seranam-piaramanidina, araka ny fenitra ara-pahasalamana.

Vonjy

Partager sur: