Misesy ny vaovao tsara. Taorian’i Denise izay ambasadaoron’ny World Cola, nampahafantarina omaly koa fa lasa ambasadaoron’ny ny Beaufort i Shyn. « Mitovy ny vina sy ny tanjona ka mahafaly anay ny mandray an’i Shyn ho mpiara -miasa. Ilay toetra tia manampy, ilay maha mpandraharaha, indrindra anatin’ny zavakanto no nosafidiananay azy », hoy i Michael Rakotobe, tomponandraikitra ny marika Beaufort ao amin’ny Star. Vita sonia, omaly, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, tetsy amin’ny Makay Lounge Analamahitsy.
« Nisalasala aho tamin’ny voalohany satria labiera ny Beaufort. Fa resy lahatra aho taty aoriana hoe tsy ny labiera no ratsy fa ny fifehezantena no tena ilaina » hoy i Shyn. Herintaona azo havaozina ihany koa ny fifanarahan’ny roa tonta. Maromaro ny hetsika ao anatin’izay, ka anisany ireo fampisehoana handraisan’i Shyn anjara. Akaiky indrindra ny seho ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny 2 aogositra ho avy izao.
Zo ny Aina




