Samy manana ny maha izy azy. Samy manana ny mampiavaka azy… Mety hitovy ihany, angamba, ireo raha takarina amina hevitra miitatra. Saingy, maro no tsy manaja ny hafa rehefa te hampisongadina ny momba azy. Hitsahina ankitsirano tsotra izao ny soatoavin’ny hafa. Tahaka izany koa ny fomba amam-panao izay tsy azy. Iray amin’ireo mampikorontana ny fiarahamonina malagasy ny tranga tahaka izany, kanefa, efa mitady hianaka. Ny manan-kaja no manaja. Ny manam-panahy no afa-mandala…
Tsy mivelatra araka ny tokony ho izy. Ao amin’ny faritra misy azy, zara raha misy mahafantatra ilay tarika. Vao miakatra an-tanàn-dehibe, maro ny mpitia ny sanganasany. Eto Madagasikara, mbola tena vitsy ny mahay milalao fanorona. Tsy ampy ny sehatra ivelarana. Na, marisarisa ilay rafitra ahafahana mivelatra. Na tsy masina eo amin’ny taniny aza ny mpaminany, mila miainga any ifotony ny fampivelarana ny kolontsaina.
Somary mangina ny hosodoko. Ny fampianarana sisa no sehatra ahitana fa misy hosodoko eto Madagasikara. Tsy tazana firy intsony ny fampirantiana any anaty trano, na eny an-kalamanjana. Ny mpanao hosodoko, mbola eny ihany fa ireo hetsika fanaony no nimpirina na nampirimina. Tafa fohy tamin’ireo mpanao hosodoko no nahafantarana fa manam-piniavana hanao ranty ry zareo fa ny hoenti-manana no olana. Na izany aza, nambaran’ireto mpanao hosodoko ireto fa « mitohy hatrany ny fitaizana ny talenta mba tsy hatoritory ».




