“Efa mandray an-tanana an’io ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray, teny Anosy, omaly, manoloana ny fisian’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa, amin’izao fotoana. Efa voahetsika avokoa ny tomponandraikitra rehetra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Na mpitandro filaminana izany na mpitsara, na ny tomponandraikitra eny ifotony: ny lehiben’ny fokontany, ny ben’ny Tanàna, ny lehiben’ny distrika… Amin’ny fisorohana ny loza sy ny fanaovana fanenjehana izay tompon’antoka amin’ireny asa mamohehatra amin’ny fakana sy famonoana olona ireny.
Raha ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, efa nomena toromarika ireo lehiben’ny distrika sy ireo solontenam-panjakana eny ifotony manerana an’i Madagasikara, araka ny fanazavany. Miaraka amin’ireo ben’ny Tanàna sy ny lehiben’ny fokontany izy ireo amin’ny fanetsehana indray mandeha ny andrimasom-pokonolona amin’ny fanaraha-maso ny eny anivon’ny fiarahamonina. Amin’izay zavatra rehetra mampiahiahy izay, mampita izany avy hatrany, hahazoan’ny mpitandro filaminana mihetsika malaky, manenjika sy misambotra an’izay mety manao asa fanakorontanana ary mitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Dia miandry sy manantena vokatra haingana sy mivaingana àry ny vahoaka amin’izany…
R. Nd.




