Notanterahina nandritra ny dimy andro, nifarana ny zoma lasa teo, tany Ampefy, ny atrikasa famolavolana ny drafitra rezionaly hiatrehana ny vanim-potoan’ny afo 2026 -2027 ho an’ny faritra Bongolava. Nitondra ny tohana ara-teknika sy ny fahaiza-manaony amin’ny famolavolana izany ny BNGRC, ho fanamafisana ny fandrindrana sy ny fandraisana andraikitr’ireo mpiantsehatra rehetra eny an-toerana, manoloana ny loza ateraky ny afo.
Notarihin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny fitaleavam-paritra Bongolava ny atrikasa. Nahitana ny fandraisana anjara mavitrika ireo solontenam-panjakana avy amin’ny fileovana Tsiroanomandidy sy ny distrika Fenoarivobe. Manampy ireo ny fitaleavam-paritra sy sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny ary ireo ben’ny Tanàna mandrafitra ireo toerana marefo amin’ny doro tanety sy doro ala ao anatin’iny faritra iny.
Ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) no nanome ny hoenti-manana ara-bola nanantanterahina izany.
Vonjy




