Lakilen’ny fampandrosoana ny toekarena ny fitadivana lalam-barotra sy fanondranana vokatra any ivelany. Antony mahatonga ny fanjakana manome tantsoroka ny mpandraharaha amin’ny fitadiavana lalam-barotra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Nivoitra izany, nandritra ny fanokafana ny Foara “Ekonomika Manandratra”, andiany voalohany, omaly ao Ambatondrazaka. Ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra marolafy, ny hetsika ka hanamafy ny fifandraisan’izy ireo. “Manan-karena vokatra i Alaotra Mangoro izay azo hitadiavana lalam-barotra”, hoy ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Andriamadison Haingotiana, nandritra ny fanokafana ny hetsika tany an-toerana. Tanjona ny hanokafana lalam-barotra vaovao sy hampiroboroboana ny fanondranana, indrindra ho an’ny faritra Alaotra Mangoro. Nambarany fa andraikitry ny minisitera sy ny Antenimieran’ ny Varotra sy ny Indostria (CCI) ny manome tantsoroka ireo mpandraharaha amin’ny alalan’ny fiofanana momba ny fenitra sy ny kalitao takin’ny tsena, indrindra ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tetikasa izay manampy ireo orinasa madinika sy salantsalany mitrandraka sy manokatra tsena vaovao. Marihina ihany koa fa antoky ny fampandrosoana ny toekarena sy mampidi-bola ho an’ny mpamokatra ny fanajana ny fenitry ny vokatra indrindra eo amin’ny tsena any ivelany.
Famokarana
Misongadina ao anantin’ny foara ny fandraisan’anjaran’ny PA ZLECAF izay hampahafantatra ny fenitra sy ny fomba fanondranana mankany amin’ ny tsena afrikanina. Tsiahivina fa tsena lehibe misy mpanjifa hatrany amin’ny 1,4 miliara ny any an-toerana.
Ankoatra izay, nanambara ny minisitra fa manomboka miakatra ny vidim-bary eny amin’ny tantsaha saingy mampitandrina ireo mpandraharaha minia manararaotra sy manitrika ny vary, ny fanjakana.
Henintsoa




