INDRAY MIJERY

Nidina ifotony teny amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery ny tomponandraikitry ny boriborintany Tana III sy ireo mpiara-miasa aminy. Nijery akaiky ny olana momba ny fahatapahan-jiro miverimberina eny an-toerana izy ireo. Hita fa tsy mahazaka intsony ny isan’ireo tokantrano mampiasa herinaratra ny transformateur eo amin’ilay andrin-jiro.

Nandritra ny varavarana misokatra natao tao amin’ny hopitaly CHU Tanambao I Antsiranana, maro ireo tolotra ara-pahasalamana. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, teo koa ny fandidiana lipome, fanaovana famorana faobe, fitsaboana ny nify sy ny ativava, fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida…

Notoavina Ravel, maintimolalin’ny Mandela Washington Fellowship 2018 no voafantina hisitraka ny vatsim-piofanana Emerging Global Leadership Fellow 2026-2027 ao amin’ny American Montessiro Society.

Partager sur: