METFP : Mila ainga vao ny fampianarana teknika

Hotanterahina any Maha­janga, ny 11 aogositra, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonambe ho fanavaozana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Sehatra iray hifanakalozan’ny mpampianatra sy orinasa ary mpandraharaha indrindra ny mpianatra izany. Tanjona ny iarahana manorina ny ho avy mivoatra kokoa amin’ny sehatry ny ara-teknika sy fanofanana arakasa eto Madagasikara. Ilana fahasahiana ny famadihana pejy hahafahana mahita vokatra sy mifanaraka amin’ny filan’ny firenena ankehitriny.
Anisan’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny fanavaozana (PGE-R) sy ny drafitra voalamina hanatrarana ny tanjona (PAS) an’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (METFP) ity fihaonambe ity. Hovola­vo­laina ny vina sy paikady iombonana hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ETFP. Hampifanarahana amin’ny fiofanana ny filan’ny tsenan’asa ary hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora.
Hampivondrona ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fihaonambe, ary hisokatra ho an’ny rehetra ihany koa ny sehatra niomerika ahafahan’ireo tsy afaka manatrika mi­vantana maneho hevitra sy mandray anjara amin’ny fifampidinihana, mba hahafahana manangona soso-kevitra ma­ne­rana an’i Madagasikara.
Fotoana itondrana ny fa­navaozana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana teknika sy hisian’ny ainga vao amin’ny lentan’ny fanofanana arakasa ity hatao ity.

Tatiana A

Partager sur: