Moris Mada BC : Fiaraha-miasa maorisiana sy Madagasikara

Hatao ny 13 sy ny 14 ao­go­si­tra ho avy izao eny amin’ny CCI Ivato, ny hetsika ma­noka­na, «Moris Mada Busi­ness Connect». Hetsika entina ha­namafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Mada­gasikara sy i Maorisy. Manoha­na azy ny Yas Busi­ness, izay nanamarika zava-dehibe miavaka tokoa ny «Moris Mada Bu­siness Connect», satria ha­no­mezan-danja ireo otrikarena eo amin’ny roa tonta. Toy ny fo­to­tra ara-niomerika, ny maha olom­belona. Toy ny fotodrafitrasa la­lana ny ara-niomerika, ankehitriny, izay mahatratra 12 000 km ny halavan’ny tariby fifandraisan-davitra «fibre opti­que», ampiasain’ny Yas eto Ma­daga­sikara. Misy ny tambajotra any ambany ranomasina, «Metis», miainga any Taolag­na­ro mampifandray amin’i Maorisy.

Hanitarana ny lalam-barotra
Mpiara-miombon’antoka manohana ny «Moris Mada Bu­siness Connect» ihany koa ny Federasionina Antenimi­eran’ny Varotra sy ny In­dostria eto Madagasikara (CCIM). Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanitarana ny lalam-barotra ho an’ny orinasa malagasy, sy hanamorana ny fampiasam-bolan’ny maorisiana eto amintsika. Nanamafy ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, fa efa misokatra ny ivontoerana «Hub» any Maorisy, ho an’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Tanjona ny hanokafana lalam-barotra mankany Afrika sy Moyen Orient.

Njaka A.

Partager sur: