INDRAY MIJERY

Tokony hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha misy tazo mahery, hoditra misy fery na mamorifotra, maso mena, kohaka na soritr’aretina hafa mampiahiahy fa mety ho kitrotro. Tokony hanaraka ny torohevitra omen’ny mpiasan’ny fahasalamana. Tokony ho antoka fa manaraka ny fandaharam-potoanan’ny vaksiny ny ankizy.

Nandray fepetra avy hatrany ny tompon’andraikitry ny BNGRC manoloana ireo tranga fisolokiana atao amin’ny anarany. Araka ny tatitra voaray, olona 2 no efa nampidirina am-ponja vonjimaika taorian’ny fisamborana azy ireo tao amin’ny distrikan’i Manakara. Manamafy ny BNGRC fa hitohy ny fanaraha-maso ary handray fepetra amin’ireo rehetra manao fisolokiana amin’ny anarany.

Nifarana omaly tao Miarinarivo ny atrikasa fandrafetana ny drafitry ny “Référentiel d’encadrement”, ho an’ireo mpanolotsaina pedagojika. Ity drafitra izay novolavolaina ity dia hatolotra hakan-kevitra amin’ireo mpanolotsaina pedagojika sy mpitantsoroka ifotony, alohan’ny hamoahana azy ho didy aman-dalàna sy hampahafantarana ary hampiharana azy eny ifotony.

Partager sur: