Autisme Madagascar : Manan-danja ny fiatoana ny ray aman-dreny

Manao hetsika ho an’ny ray aman-dreny manana za­naka hafakely ny Autisme Madagascar. Tanterahina amin’ny faritra 10 manerana ny Nosy izany. Mihaino sy manampy azy ireo amin’ny fitaizana ny zaza izany. Miara-miasa amin’ny manam-pahaizana manokana toy ny Dokotera sy mpandinika ny saina ny fikambanana. Tanjona ny fanohanana ho enti-manampy ny ray aman-dreny amin’ny fitantanana ny fihetsem-po, adin-tsaina sy ny maro hafa izay iainan’ny zaza amin’ny andavan’andro. Ma­nampy be dia be amin’ny fitaizana izany, araka ny fanazavana.
Mikarakara fotoana natao hitsaharana na hiatoana (ré­pit) ny tomponandraikitra. Ahitana izany ny ivon-toerana mampifandray misy ny Autis­me Madagascar eto Ana­la­manga, Anosy, Diana, Boe­ny, Atsinanana, Alaotra Man­goro, Vakinakaratra, Me­nabe, Ma­tsiatra Ambony, Atsi­mo An­dre­fana,
Natao hakana aina sy hialan’ny ray aman-dreny na ny olona mpanampy mikarakara ny olona manana fahasamihafana sasatra izany. Tena manan-danja satria fanohanana azy ireo amin’ny andraikitra sahaniny isan’andro manoloana ny olona iadidiany. Matetika ny sabotsy no ha­naovana azy arakaraka ny fahafahan’ny ivon-toerana tsiriairay any amin’ny faritra.
Efa fandaharanasan’ny Autisme Madagascar hatramin’izay 10 taona mahery nijoroany ilay fiatoana, tolo-tanana ho an’ny ray aman-dreny. Mbola mitohy izany ankehitriny, noho ny fahatsapan’ny fikambanana fa zava-dehibe ny fahalalan’ny fianakaviana fa tsy irery izy ireo.

Vonjy

Partager sur: