Feno lavaka sy lozoka ny manamorona ny lalam-pirenena RN1 any Tsiroanomandidy. Izany dia vokatry ny fitrandrahana volamena ataon’ny olona, indrindra any amin’ny mihazo ny fokontany Ambohibary Kofay any Fihaonana Tsiroanomandidy. Avy any amin’ ny fokontany Ankaditapaka sy Ambohibary Kofay ireo olona ireo. Nidina tany an-toerana nandamina ireo mpitrandraka ny inspektera prinsipaly Rasolonoela Vonjy, notronin’ny manam-pahefana any Bongolava ary ny mpitandro filaminana. Tao anatin’ny filaminana no nanatanterahana izany.
Mahatratra 4 834,69 Ar ny sandan’ny 1 euro eo amin’ny tsena fifanakalozana vola vahiny ao amin’ ny fandoavana ny Habantseranana. Misanda 4 311,35 Ar kosa ny 1 dolara, raha 5 750,31 Ar ny 1 livre sterling. Mahatratra 637,59 Ar kosa ny 1 yuan vola sinoa. Avy amin’ireo no hijakiana ny habantseranana aloa, ny
10 hatramin’ny 16 aogositra 2026. Izany hoe, miova isaky ny 15 andro, fa tsy isan’andro toy ny tsenam-bola eny amin’ny banky.
Hatao ny 19 hatramin’ny 23 aogositra ho avy izao ny hetsika « Rodorodon’ny tantsaha », eny amin’ ny kianja Makis Andohatapenaka. Fotoana ahitana ireo vokatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny jono ary ny asa tanana. Andiany fahefatra ity hetsika mandritra ny 5 andro ity, karakarain’ny Foyer des paysans. Tsy misy ny vidim-pidirana.




