Moris Mada Business Connect 2026 : Paikady handrafetana fiaraha-miasa maharitra

Hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra, hanamafy fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra ara-toerana ho an’ny fampandrosoana ny fihaonambe ara-toekarena « Moris Mada Business Connect Summit ».

Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ny hetsika, omaly, teny amin’ny CCI Ivato. Hitohy androany ny fihaonambe, fotoana ahafa­han’ireo mpandraharaha sy orinasa ary rafi-panjakana samihafa mikaondoha hampivelarana ny lalam-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Fifanakalozan-kevitra mirindra miisa 10, fihaonana amin’ireo mpandraharaha miisa 500, manam-pahaizana manokana ara-toekarena maherin’ny
100 ary fifanaraham-piaraha-miasa miisa telo no andra­sana hivoaka mandritra ny hetsika. Fotoana iray ahafa­han’ireo mpisehatra ara-toekarena mifampizara traikefa, mitady mpiara-miombon’an­toka ary mametraka tetikasa iombo­nana ny « Moris Mada Con­nect Summit ».
Antony, nahatonga ny An­tenimieran’ny Va­rotra sy In­dostria Mao­risy Madagasikara (CCIMM), ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria ho an’i Afrika sy ny Ranomasimbe Indianina (AIOCCI) ary ny Federasion’ny Antenimieran’ ny Varotra sy ny Indostria eto Madagasikara (FCCIM), eo ambany fiadi­dian’ny Praimi­nisitra nikara­kara ny fihaonambe.
Paikady

“Ny fanamafisana ny fifamatorana ara-barotra sy ara-indostrialy eo amin’ny Nosy roa tonta dia mametraka am­bony ny fampandrosoana ny toekarena eto amin’ny Ra­nomasimbe Indianina”, hoy ny minisitry ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, Raharimanjato Ny Riana Nampoina, nandritra ny fanokafana ny « Moris Mada Business Connect Summit ». Ho an’ny minisitry ny Asa, fampananan’asa sy fifandraisana ara-indostrialy ao Mao­risy, Muhammad Reza Cas­sam Uteem, dia tokony hi­tondra vokatra azo tsapain-tanana ny fampifandraisana ireo mpandraharaha sy mpisehatra ara-toekarena. Noto­hizany fa manokatra varava­rana vaovao ho an’ny orinasa sy mpandraharaha amin’ny nosy mirahavavy ny hetsika toy izao. Sehatra iray hamadihana ny fifanakalozan-kevitra ho fiaraha-miasa sy ho an’ny fampiasam-bola, hamoronana asa sy hanatanterahana tetikasa ny « Moris Mada Busi­ness Connect Summit 2026 ».

Henintsoa

 

Partager sur: