Ampitambe Moramanga : Mponina 2 730 misitraka rano fisotro madio

Avy ao amin’ny Fokontany Ampitambe, Kaominina Amba­nivohitra Ambohibary, Distri­kan’i Moramanga ireo mponina nahazo tombontsoa, taorian’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa fa­matsian-drano avy amin’ny toerana avo (AEPG) novatsian’ Am­batovy vola. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 14 aogositra tany an-toerana ny fotodrafitrasa vaovao. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny ezaka ataon’Ambatovy hanatsarana ny fari-piainan’ireo vondrom-piarahamonina manodidina ny toerana iasany. Ankilany, vokatry ny dinika tamin’ny mponina sy ny fikambanan’ny terak’ Ampitambe ny tetikasa ary natao hamaliana ny filàna tena iainan’ny mponina eny ifotony.

Manakaiky vahoaka
Nohamafisin’i Nicolas Descraques, Manager Social In­vestment and Community Engagement ao Ambatovy, nandritra ny lanonam-pitokanana, fa “hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainan’ny mponina ny fahazoana rano madio akaiky ny toeram-ponenana”. Notohizany fa “mitondra fana­tsarana lehibe amin’ny andavanandron’ny mponina ny fa­hazoany rano fisotro madio. Tsy voatery handany fotoana betsaka amin’ny fakana rano intsony izy ireo, sady afaka manatsara ny fahadiovana sy ny fidiovana”. Ahitana tohadrano vita amin’ny “béton armé”, fotodrafitrasa fanadiovan-drano, siniben-drano ary tambajotra fizarana rano misy paompy 13 ity tetikasa ity. Fo­todrafitrasa mamatsy rano ny tanànan’Ampitambe, Ambo­hi­tranivo, Amparifohy ary Ambo­hi­nierenana. Na­nom­boka ta­min’ny volana Septambra 2025 ny fanatanterahana ny tetikasa. Heverina fa hitondra vahaolana maharitra amin’ny filana rano ateraky ny fitomboan’ny isan’ny mponina eny an-toerana ny rafitra famatsian-drano avy amin’ny toerana avo. Anisan’ny fandraisana andraikitra ataon’Amba­­to­vy ho an’ny fampandrosoana lovainjafy ihany koa ity tetikasa ity. Mandray anjara amin’ny fanatrarana ny Tanjona faha-6 amin’ny Fandro­soana Lovainjafy (ODD 6) izy, izay mikendry ny hahafahan’ny rehetra misitraka rano madio sy fidiovana sahaza.

Henintsoa

Partager sur: