Om-Gui: Tsy maty am-pon’ny mpankafy…

Ny mpanakanto, hono, tsy mba maty, fa velona mandrakizay amin’ny alalan’ny sanganasany. Voaporofo izany raha hiresaka an’i Om Gui, satria dia manjohy ny tarika Ny Ainga eny hatrany ireo mpankafy, 10 taona taty aorian’ny nahalasany. Fanomezam-boninahitra ity mpanakanto nanangana ny tarika Ny Ainga ity, ilay seho notontosaina tao Antsahama­nitra, omaly. «10 taona lesy izay…», hoy ilay hiran’i Om Gui fahiny… Tonga maro namaly ny antso ireo mpankafy na teo aza ny orana nilatsaka. Vory teny an-tsehatra ihany koa ireo mpikambana nampiarahan’i Om Gui tanatin’ny tarika, afa-tsy endrika vitsivitsy. Tazana indray ry Tantely namerina ny «Sipako taloha». Niarahan’ny rehetra niredona ny « Fitia voahasina», «Ilay voalohany», «Toky fitaka» «Mahery io», sns.
Feno ny seho. Eny, misy endrika tsy eo, saingy tena tsapa ny fo mifangia teo amin’ireo samy teny ambony sehatra sy ireo mpankafy. Irarian’ny maro ny itohizan’izany. Ny hahitana indray ireo mpikambana hafa nandrafitra ny Ny Ainga amin’ny seho manaraka rehetra. Ny hanjakan’ny «Revy manja, vazo milay» eo amin’ny tontolon’ny mozika indray.

Zo ny Aina

Partager sur: