« Star Tour Mahajanga 2026 »: Be mpankafy i L Jo, tsy lefy laza ry AmbondronA

Nokendren’ny Star ho roa andro mafana indrindra ny teny amin’ny Bord Mahajanga. Lanonambe ho an’ny mpianakavy, niaraka tamin’ny fampisehoana goavana izany.

Tsy nisy nodiavina. Ra­kotra olona nanomboka teny amin’ny Baobab le­hibe, hatrany anoloan’ny Chambre de Commerce Ma­hajanga, ny faran’ny herinandro teo. Angamba mbola ny « Star Tour » ihany no nahavory olona marobe toy izany teo amin’ity toerana ity. Ani­san’ny antony lehibe nahatonga izany ny fisafidianana ireo mpanakanto nanafana ny «Star Tour Mahajanga 2026». Tsy iadian-kevitra fa anatin’ ny lazany tanteraka i L Jo. Izy no tena nandrasan’ny olona ny sabotsy alina. Tsy nisy na hira iray aza tsy hain’ny mpijery, indrindra ireo malaza indrindra toy ny «Ramalala», «ngoma», «Vera iray sisa», sns. Teo koa ny nampidirany ireo hirana mpanakanto hafa, toy ny «Miliaridera» an’i Francis Turbo, sy ny «Adija» an’i Toto Mwandjani. Nialoha an’i L Jo, niezaka namerina ny fankafizan’ny olona azy i Arnaah. Tsy very tanteraka izany satria mbola mitoetra ny lazan-dry «Magneva», nampian’ireo taty aoriana.
Niandry an’AmbondronA i Mahajanga, ny alina fahatelo sady farany. Nanokatra ny seho ry zalahy tamin’ity, namantana mpankafy an’aliny toa efa mifanao fotoana isan-taona. Niova ve ny hira nalahatra ? Tsy ampy aza ny fotoana niarahana, tsy nisy toerana ho an’ny hira mbola tsy malaza. Sahirana, araka izany, i Ckiky sy ny tariny nandimby ny tarika AmbondronA teny an-tsehatra.
Tsy fampisehoana ihany anefa ny «Star Tour» na dia izay aza ny lehibe indrindra. Fiarahan’ny mpianakavy, ka nisy koa ny toeram-pialamboly ho an’ny tanora sy ny ankizy. Vaovao tamin’ity ny toerana nampahafantarana ny zava-pisotro «Fosa», teo akaiky teo. Mbola nanatombo noho ny tamin’ny taon-dasa ireo tonga nanatrika ny lanonana, raha ny tomba-maso. Ao ireo mpiala sasatra nisafidy an’i Mahajanga fa teo koa ireo zanatany efa miandry izany isaky ny volana aogositra. Any Toamasina indray ny «Star Tour» manaraka, ny volana oktobra.

Zo ny Aina

Partager sur: