VAOVAO TAMBATRA

Miverina ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy ny manodidina. Misy olana ara-teknika ny milina mpihary herinaratra ao amin’ny TAC 1 Jirama ao Ambohimanambola. Maloka ihany koa ny andro ka tsy feno ny vokatra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Vokany mihena hatrany amin’ny 20 MW ny vokatra tsinjaraina eo amin’ny tambazotra iraisan’Anta­nanarivo. Haharitra ora roa isaky ny fahatapahana sy isaky ny faritra ny delestazy.

Miompana amin’ny fananganana indostria mahazaka krizy, maharitra ary mampiaty ny rehetra ny lohahevitry ny fihaonana an-tampony faha-46 ny Sadc. Hovoaboasana ao anatin’ny lohahevitra ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa, ny fanodinam-bokatra ara-pambolena ary ny fanomezan-danja ireo harena an-kibon’ny tany stratejika.

Zanaka honko miisa 5 900 no novolena tamina velaran-tany 1 hektara tao amin’ny fokontany Amba­lahonko. Iankinan’ny fitomboana sy ny fanatodizan’ireo hazandrano samihafa ny ala honko no miaro ny morontsiraka amin’ny fikaofan’ny rano. Miaro ny tontolo iainana ihany koa izy satria mitroka entona karbona avo dimy heny noho ny ala tsotra izay mampihena ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Partager sur: