Angovo azo avy amin’ny rivotra : Am-perinasa ireo turbines 19 ao amin’ny Faritra Anosy

Niasa nanomboka ny volana jolay teo ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rivotra voalohany eto Madagasikara. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasan’ny QMM sy ny Cross Boundary Energy (CBE).

Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo madio ny tetikasa. Manamafy ihany koa ny vina apetraky ny QMM amin’ny fitrandrahana lovain-jafy. Ankehitriny, am-perinasa avokoa ireo “turbines” miisa 19 ao Taolagnaro izay mamokatra herinaratra azo avy amin’ny rivotra 16 MW, raha 14MW kosa ny avy amin’ny masoandro. Ity farany izay fotodrafitrasa napetraky ny QMM sy niasa nanomboka ny taona 2024. Manana rafitra hitehirizana sy handrindrana ny herinaratra (Bess) mahatratra 16 MW ihany koa ny tobim-pamokarana. Afaka ma­maly ny filan’ny QMM, noho izany, ny fotodrafitrasa rehefa ambony ny herin’ny masoandro sy ny rivotra. Ankoatra izay, afaka mamatsy ny tanànan’i Taolagnaro ihany koa izy amin’ny alalan’ny tambajo­tran’ny Jirama.

Fototry ny fampandrosoana
Manampy amin’ny fizakan-tenan’ny Faritra Anosy amin’ ny sehatry ny angovo ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rivotra. Singa lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fisiana herinaratra azo antoka sy maharitra ho an’ny fampivoarana ny fiharian’ny mponina, indrindra amin’ny fampiroboroboana ny fidiram-bolany. Afaka manohana ny famokarana, ny fizahantany, ny tolotra samihafa ary ny sehatry ny fifandraisana izay andry iankinan’ny fampandrosoana ny harinkarena izanny.

Henintsoa

Partager sur: