« Dinan’ny Anôsy Miray » : Tafapetraka ao Amboasary Atsimo

Nitsidika ny distrikan’­ Am­boasary Atsimo ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Mamitiana Ely, ny minisitry ny Fahasa­lamam-bahoaka, Managna Monira ary ny minisitra Delege misa­hana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Bama Ma­rima. Nifantoka tamin’ireo laharam-pahamehana momba ny fiainan’ny vahoaka sy ny fampandrosoana ao an-toerana ny fitsidihana. Anisan’izany ny fanamafisana ny ady amin’ ny tsy fandriampahalemana. Nohamafisina, araka izany, ny ezaka sy ny fiaraha-mientan’ ireo tomponandraikitra amin’ ny famerenana sy fitazonana ny filaminana sy fandriampahalemana mba hahafahan’ny vahoaka miaina am-pilami­nana sy mampandroso ny Fa­ritra. Teo ihany koa ny fametrahana ny “Dinan’ny Anôsy Miray” izay nifantoka tamin’ny fanamafisana ny firaisankina, fifanajana ary fiaraha-mien­tan’­ny mponina, ho fototra iray lehibe amin’ny famahana ireo olana sy fanamby sedrain’ny faritra. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka kosa, nodinihina manokana ny fana­tsarana ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fahafahan’ny vahoaka mahazo izany. An­koatr’ireo, misy koa ireo fitaovana sy fotodrafitrasa ampiasaina amin’ny sehatry ny filaminana sy ny fahasalamana mba hamantarana ireo filana sy fanatsarana tokony hatao. Niara-nanotrona izany fitsidihana izany ireo Solom­bavam­bahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’­Amboasary Atsimo, Rakotonirina Richard sy An­driamamonjy Olivier du Mamou, niaraka tamin’ny lehiben’ny Faritra Anôsy, Ran­drianarivo Bertrand, ny lehi­ben’­ny distri­kan’­Amboasary, Madina Emi­lien, ireo ben’ny Tanàna eo anivon’ny distrika ary ireo manamboninahitra ambony, sivily sy miaramila.

Jean Claude

Partager sur: