Miroso amin’ny fanamafisana ny vokatra sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo. Laharam-pahamehana ny fampiakarana ny vidim-bokatra, ny fanomezan-danja ny vokatra eto an-toerana ary ny fanokafana lalam-barotra. Nihaino ny hetahetan’ireo tantsaha tanora mpitarika avy amin’ny faritra 12 ny minisitera, ny zoma teo, tamin’ny alalan’ny Formagri, vovonam-pikambanana nasionaly. Navoitran’ireo mpandray anjara ny filana fampiakarana ny sandan’ny vokatry ny tantsaha. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja bebe kokoa ny vokatra eto an-toerana mba hahafahan’ny tantsaha mahazo tombony. Nohamafisina ihany koa ny maha zava-dehibe ny fanamorana ny fahazoana tany, ny fampiharana ny fomba famokarana mifototra amin’ny agroekolojia ary ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa famokarana, indrindra ireo tohodrano. Fepetra izay heverina fa hanampy amin’ny fampitomboana sy fanatsarana ny vokatra azo avy amin’ny fambolena. Eo koa ny fanamafisana ny fisian’ireo teknisianina eny amin’ny faritra, hanakaikezana ny tantsaha sy hanohanana azy ireo amin’ny lafiny teknika. Ankoatra izay, nohamafisina ny fanokafana sy fanitarana ny lalam-barotra hahafahana mivarotra ny vokatra. Ho an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, tsy mijanona amin’ny fampitomboana ny famokarana ny ezaka, fa mikendry koa ny hananan’ny vokatra sanda ara-toekarena ambony sy hahazo tsena. Nanamafy ny minisitera fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra hanatrarana ny Fahaleovantena izy ireo.
Henintsoa




