Mananosarotra ny fandrindrana ny fitantanam-bolan’ny ankamaroan’ny tokantrano amin’izao fotoana. Hiditra tsy ho ela ny mpianatra, miakatra manaraka izay ihany koa ny vidin’ny fitaovam-pianarana sy ny saram-pisoratana anarana. Ankilany, manomboka miakatra ihany koa ny vidim-bary eny an-tsena.
Nandray delegasionina roa ny Fivmpama ny zoma teo. Anisan’izany ny delegasionina avy amin’ny FAO, izay nahitana solontena avy amin’ny Biraon’
ny zana-paritra sy ny Birao eto an-toerana. Nifantoka tamin’ireo laharam-pahamehana sy ireo sehatra azo iaraha-miasa ny fifanakalozana, indrindra ao anatin’ny Initiative « Main dans la Main » tantanin’ny FAO. Nifanakalo hevitra tamin’ny delegasionina avy amin’ny Faculté EGS ihany koa ny Fivmpana tao anatin’ny fitsidihana tamim-pirahalahiana.
Mitohy manerana ny faritra ny hetsika ataon’ ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) amin’ny fanaraha-maso sy fitsarana ireo fitaovam-pandanjana. Tanjona ny hiantohana ny fahamarinan’ny lanja ampiasaina amin’ny varotra sy ny fiarovana ny mpanjifa. Tao Port-Bergé, Faritra Sofia, fitaovam-pandrefesana miisa 150 sy vatomizana 186 no voatsara, ny herinandro teo.




