Fampivelarana ny zavakanto malagasy: Tafatsangana ny « Vovonan’ny mpitsoka mozika »

Mavesa-danja eo amin’ny fampivelarana ny zavakanto ny fananana rindran-damina mazava hoenti-miasa sy manatsara ny atao. Ny fikatsahana sy fametrahana izany no anisan’ny antony nananganana ny « Vovonan’ny mpitsoka mozika ».

Notanterahina tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny fampahafantarana ny fijoroan’ny « Vovonan’ny mpitsoka mozika ». Anisan’ny zava-dehibe sady antony nananganana ity vovonana ity ny fampivelarana ny tsirairay sy izay misehatra ao anatiny. Fametrahana rafitra mazava ahafahan’ny mpitsoka mozika mirotsaka ao anatin’ny rafitra ara-dalana sy fifampifehezana hitondra any amin’ny fandrosoana ihany koa.
Ankoatra ny sata fototra misy, natao hiasan’ny vovonana, efa voavolavola sy nosoritana koa ireo vina hoenti-miatrika ny zava-takin’ny vanim-potoana ankehitriny. Hisy ny fanisana ireo misehatra eo amin’ny fitsofana mozika. Ha­vondrona izy ireo. Arovana ny tombontsoa tokony ho azony. Omena fiofanana izy ireny mba hanana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao momba ny tontolo misy azy sy hahafahany mivelatra ao anatin’izany.
Ny vovonana no hanara-maso ny fiatrehin’ny mpitsoka mozika ny asa tanterahiny. Hijery ireo olana mitranga eo am-panaovana ny asany… Hanome anatra sy fanabeazana ary hanasazy raha sanatria ka misy ny mihoa-pefy, sns. Tafiditra ao anatin’ny vina hokarakarain’ny vovonana ihany koa ny fanatanterahana fifaninanana sy hetsika lehibe tahaka ny « festival » ahitana ny fandraisan’anjara lehiben’ny mpitsoka mozika.
Nanterin-dRabekoto Christian, tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac), omaly, fa: « mbola lavitra ny lalana hametrahana ny indostrian’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Na izany aza, ilaina ny fanaovana dingana tahaka izao ». Fantatra fa hisy tsy ho ela ny fivoriamben’ny mpitsoka mozika.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: