Fahafatesam-biby tany Atsimo : Natsangana ny Task Force hanara-maso

Tsy nahitana soritraretina mampiahiahy na areti-mifindra tamin’ny taovan’ireo biby no­zahana taorian’ny fanadihadiana nataon’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fambolena momba ilay tranga nahafatesana biby amam-polony maro tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nifandraika tamin’ny rotsakorana be sy tsy fahampian-tsakafo, ka namparefo ireo biby, no nahatonga ny tranga. Antony nahatonga ireo tomponandraikitra nametraka ny Task Force, hanentana ny mpiompy sy hanara-maso eny ifotony, ka handray fepetra haingana raha misy tranga vaovao izany. Miara-misalahy ao anatin’izany ny minisite­ran’ny Fambolena, ny Faritra ary ny distrika, miaraka amin’ ireo rantsamangaika sy sampandraharaha teknika any an-toerana.

3 tapitrisa Ariary
Nanome vola 3 tapitrsa Ar ny minisitera hanombohana ny fanisana sy hamantarana ireo mpiompy niharam-boina. Hamaritana ihany koa ny isan’ ny biby maty sy marary, hanomezana fanafody ary fanampin-tsakafo ho an’ireo biby mbola marefo. Ankilany, na­nentana ireo mpiompy mba hanamafy ny fikarakarana ny biby amin’izao vanim-potoan’ ny rotsakorana izao ireo tomponandraikitra. Atao laharam-pahamehana ny fanomezana fialofana sahaza, sakafo ampy, rano madio ary fanaraha-maso akaiky ny fahasalaman’ ny biby. Kendrena ny hisorohana ny fiverenan’ny tranga, hiarovana ny biby ary hanohanana ireo mpiompy. Tsiahi­vina fa maherin’ny 50 ireo biby maty taorian’ny rotsakorana tany an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny omby, ny akoho amam-borona, ireo biby fiompy samihafa.

Henintsoa

Partager sur: