Famokarana : Harena mila asandratra ny vary malagasy

Manana karazan-bary maro i Madagasikara. Mifanaraka amin’ny toetry ny tany sy ny faritra tsirairay ireo karazany ireo. Harena lehibe ho an’ny famatsiana sakafo sy ny toekarena izany.

Mila asandratra ho fototry ny vokatra eny an-tsena ny vary mala­gasy na ny vary zanatany miohatra amin’ny vary hafa, toy ny vary afarana. Hevitra anisan’ny asongadin’ny « Saga du Riz Malagasy » izany. Antontan-kevitra manasoga­dina ny karazam-bary mala­gasy, notontosain’ny minisi­teran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (Miasa) izy ity. « Tsy tokony hatao safidy faharoa intsony ny vary eto an-toerana », hoy ny mpanoratra. Mampiavaka ny vary malagasy ny fahasamihafan’ny toeram-pamoka­rana. Anisan’ny sompitra mamokatra betsaka, ohatra, ny faritra Betsileo, Alaotra, Boeny, Vakinankaratra, Me­nabe na koa Sofia. Misy fiantraikany amin’ny vary vokarina ny tany, ny rano ary ny toetr’ andro. Misy koa ny fomba fambolena hampiharina eny an-tsaha. Izany no mahatonga ny tsiro sy ny endriky ny vary hiovaova. Maro ny karazam-bary toy ny vary mena sy vary manitra ary vary malemy na mafimafy. Samy manana ny fampiasana azy eo amin’ny sakafo ireo karazany ireo.
« Tsy mitovy avokoa ny vary rehetra », hoy hatrany ny Saga.

Mpanjifa
Mila ampahafantarina bebe kokoa ny mpanjifa ny niavian’ny vary. Mametraka ny antontan-kevitra fa tokony hazava amin’ny fonosana ny karazany sy ny faritra nia­viany. Hanamafy ny fahatokisan’ny mpanjifa izany. Ma­nana anjara toerana lehibe amin’izany ny tantsaha. Izy no mifehy ny masomboly, ny rano, ny fambolena ary ny fi­jinjana. Izy ihany koa no miandraikitra ny fitahirizana. « Ny mpamboly azy no ambasadaoro tsara indrindra amin’ny faritra niaviany », hoy ny fanazavana. Afaka manasonga­dina ireo karazam-bary ireo ny trano fisakafoana sy ny hotely. Afaka mampiroborobo azy koa ny mpahandro amin’ny alalan’ny fomba fahandro nentim-paharazana. Tafiditra ao anatin’ny tolokevitra ny famoronana marika iombonana
« Riz du Terroir ». Hiantoka ny fiaviana, ny karazany ary ny kalitaon’ny vokatra izany. Ma­rihina fa hanohana mivantana ny tantsaha ny fividianana vary eto an-toerana. Hahafa­hana mitahiry ny fahaiza-manao sy mampatanjaka ny toekarena eny ifotony.

Henintsoa

Partager sur: