Handray ny fitantanana ny SADC, manomboka izao, i Zambia, taorian’ny nisahanan’i Afrika Atsimo izany, nanomboka ny novambra 2025. Tsiahivina fa ny filoha afrikanina Tatsimo, Cyril Ramaphosa, no nitantana vonjimaika ity vondrona ity amin’izao fihaonana an-tampony faha-46 izao, noho ny toe-draharaham-pirenena teto amintsika.
Azo atao ny manome fahefana ny eny ifotony amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mba hisian’ ny fampandrosoana, araka ny hevitry ny filohan’ny antoko RCR, Razafiarison Laza. Nametra-panontaniana izy : “ Tokony hapetraka ofisialy ny dina ho
lalàna isaky ny rafi-pitsarana ahafahan’ny fokonolona mitsara sy hanamora ny asan’ny fitsarana», hoy izy.
Hihaona amin’ny mpanao gazety etsy amin’ ny biraon’ny masoivoho frantsay, Ambatomena, anio, ny filohan’ny vaomieran’ny Raharaham-bahiny Frantsay, Bruno Fuchs. Hotateriny amin’izany ny diany tamin’ny fandalovany teto sy nihaonany tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony.
Mitaky ny hanaovana karatra biometrika hiatrehina ny fifidianana ny eo anivon’ny antoko MFM, Antananarivo Renivohitra. Nambaran’izy ireo fa ilaina ny finiavana politika raha tena hanao fanavaozana, ho amin’ny fanatanterahana izany. « Hirosoana ny fifidianana avy eo rehefa mipetraka izany sy madio ny tokotany », hoy ny Mafana.




