Mitohy anio ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina Mpox eny amin’ny Polyteknika Vontovorona. Entina manakaiky ny mpianatra ny vaksiny ary atao ny fanentanana sy fandresen-dahatra azy ireo hiaro tena amin’ny valanaretina. Nisy ireo mpianatra navitrika tamin’izany.
Mialoha ny fanasaziana dia hanentana ny tompon’andraikitry ny fitaterana mahakasika ny tsy tokony hampiasana jiro led, vitre fumé tsy nahazoana alalana, taxibe mihodina an-dalana. Ankoatra ny fanentanana amin’ny haino vaky jery dia hidina an’arabe mihitsy ny ekipa. Aorian’izany dia hiditra amin’ny fanasaziana.
Rohy tokana hahafahana mandray ny vatsim-pianarana ny Wallet trésor. Entanina, araka izany, ireo mpianatra eny amin’ny oniversite rehetra mba hiditra amin’ny fisoratana anarana ao anatin’izany. Alaina any amin’ny scolarité ny ID bourses raha misy tsy mifanaraka na miseho hoe aucun boursier correspondant, hahafahana mangataka fanitsiana.




